Al-Baqarah · 56/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
ثُمَّ بَعَثْنَاكُم مِّن بَعْدِ مَوْتِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ ۝٥٦
Summa ba`asnaakum mim ba`di mawtikum la`allakum tashkuroon
📖 Dikany Malagasy
Dia novelominay ianareo taorian’ny fahafatesanareo, mba hahatonga anareo hankasitraka.
🎧 Henoy

📜 Andininy 54-58 — Al-Baqarah

54وَإِذْ قَالَ مُوسَىٰ لِقَوْمِهِ يَا قَوْمِ إِنَّكُمْ ظَلَمْتُمْ أَنفُسَكُم بِاتِّخَاذِكُمُ الْعِجْلَ فَتُوبُوا إِلَىٰ بَارِئِكُمْ فَاقْتُلُوا أَنفُسَكُمْ ذَٰلِكُمْ خَيْرٌ لَّكُمْ عِندَ بَارِئِكُمْ فَتَابَ عَلَيْكُمْ ۚ إِنَّهُ هُوَ التَّوَّابُ الرَّحِيمُ
Ary tsarovinareo, raha nananatra ny vahoakany i Moussa : “Ry vahoakako! Tena nanao ny tsy rariny teo amin’ny tenanareo tokoa ianareo raha namorona sariomby natao sampy hotompoina. Ka ndeha miverena amin’Ilay Mpahary anareo; ary ataovy sorona ny ainareo, izany no tsara aminareo eo anatrehan’Ilay Mpahary anareo”; ka hahatonga Azy hamela heloka anareo. Hamafisina, fa Izy tokoa no Ilay Mpamela heloka, sy Mpamindra-fo.
55وَإِذْ قُلْتُمْ يَا مُوسَىٰ لَن نُّؤْمِنَ لَكَ حَتَّىٰ نَرَى اللَّهَ جَهْرَةً فَأَخَذَتْكُمُ الصَّاعِقَةُ وَأَنتُمْ تَنظُرُونَ
Ary tsarovinareo raha niteny ianareo hoe : " Ry Moussa ! Tsy hino anao velively izahay raha tsy efa mahita an’i Allah mibaribary ". Ka naripak'ilay varatra ianareo, ary nijery fotsiny teo.
56ثُمَّ بَعَثْنَاكُم مِّن بَعْدِ مَوْتِكُمْ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Dia novelominay ianareo taorian’ny fahafatesanareo, mba hahatonga anareo hankasitraka.
57وَظَلَّلْنَا عَلَيْكُمُ الْغَمَامَ وَأَنزَلْنَا عَلَيْكُمُ الْمَنَّ وَالسَّلْوَىٰ ۖ كُلُوا مِن طَيِّبَاتِ مَا رَزَقْنَاكُمْ ۖ وَمَا ظَلَمُونَا وَلَٰكِن كَانُوا أَنفُسَهُمْ يَظْلِمُونَ
Ary nalofanay tamin'ny rahona ianareo, narotsakay teo aminareo ny mana sy ny saloa (karazam-borona mitovy amin'ny papelika); (ary hoy Izahay taminareo hoe) : " Mihinàna ianareo amin'ireo tsara izay nomenay anareo ". ka tsy Izahay no voan'ny tsy rariny nataon'izy ireo fa ny tenan'izy ireo ihany no nanaovan'izy ireo ny tsy rariny.
58وَإِذْ قُلْنَا ادْخُلُوا هَٰذِهِ الْقَرْيَةَ فَكُلُوا مِنْهَا حَيْثُ شِئْتُمْ رَغَدًا وَادْخُلُوا الْبَابَ سُجَّدًا وَقُولُوا حِطَّةٌ نَّغْفِرْ لَكُمْ خَطَايَاكُمْ ۚ وَسَنَزِيدُ الْمُحْسِنِينَ
Ary tsarovinareo raha niteny izahay hoe : ” Midira amin’io tanàna io ianareo, ka mihinàna am-piadanana amin'izay ao, araka ny sitraponareo. Ary midira ny varavarana am-piankohofana ianareo sady mitenena hoe : " Fafao ny fahotanay "; fa havelanay ireo fahotana vitanareo; ary hampitomboinay ny fahasoavan'ireo mpanao soa.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
56Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 56

Surah Al-Baqarah Andininy 56 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Dia novelominay ianareo taorian’ny fahafatesanareo, mba hahatonga anareo hankasitraka.

Surah Andininy 56/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 54–58. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers