Al-Baqarah · 91/286
Fandikana Fanononana — Al-Baqarah
وَإِذَا قِيلَ لَهُمْ آمِنُوا بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ قَالُوا نُؤْمِنُ بِمَا أُنزِلَ عَلَيْنَا وَيَكْفُرُونَ بِمَا وَرَاءَهُ وَهُوَ الْحَقُّ مُصَدِّقًا لِّمَا مَعَهُمْ ۗ قُلْ فَلِمَ تَقْتُلُونَ أَنبِيَاءَ اللَّهِ مِن قَبْلُ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ ۝٩١
Wa izaa qeela lahum aaminoo bimaaa anzalal laahu qaaloo nu`minu bimaaa unzila `alainaa wa yakfuroona bimaa waraaa`ahoo wa huwal haqqu musaddiqal limaa ma`ahum; qul falima taqtuloona Ambiyaaa`al laahi min qablu in kuntum mu`mineen
📖 Dikany Malagasy
Ary rehefa tenenina izy ireo hoe : " Minoa izay nampidinin'i Allah ianareo " ; dia milaza izy ireo fa : " Mino izay nampidinina taminay izahay ". Ary tsy mino ny ankoatra izany izy ireo, nefa izany indrindra ilay fahamarinana izay manamafy ny eo am-pelatanan'izy ireo. Lazao azy ireo hoe : " Ka nahoana àry ianareo no namono ireny mpaminanin'i Allah ireny taloha, raha tena mpino tokoa ianareo ".
🎧 Henoy

📜 Andininy 89-93 — Al-Baqarah

89وَلَمَّا جَاءَهُمْ كِتَابٌ مِّنْ عِندِ اللَّهِ مُصَدِّقٌ لِّمَا مَعَهُمْ وَكَانُوا مِن قَبْلُ يَسْتَفْتِحُونَ عَلَى الَّذِينَ كَفَرُوا فَلَمَّا جَاءَهُم مَّا عَرَفُوا كَفَرُوا بِهِ ۚ فَلَعْنَةُ اللَّهِ عَلَى الْكَافِرِينَ
Ary nony nampitaina tamin’izy ireo ny boky avy tamin’Allah izay manamafy ny efa teo am-pelatànany hatramin’izay, na dia talohan’izany aza izy ireo, nampiasa izany hanoherana ireo tsy mino tao aminy, saingy rehefa tonga tokoa ilay tena izy izay fantatr’izy ireo tsara, dia notsipahin’izy ireo izany. Koa ny ozon’Allah anie hianjady amin’ireo izay tsy mino.
90بِئْسَمَا اشْتَرَوْا بِهِ أَنفُسَهُمْ أَن يَكْفُرُوا بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ بَغْيًا أَن يُنَزِّلَ اللَّهُ مِن فَضْلِهِ عَلَىٰ مَن يَشَاءُ مِنْ عِبَادِهِ ۖ فَبَاءُوا بِغَضَبٍ عَلَىٰ غَضَبٍ ۚ وَلِلْكَافِرِينَ عَذَابٌ مُّهِينٌ
Zava-dratsy tokoa no natakalon'izy ireo ny fanahiny, tamin'ny tsy finoan'izy ireo izay nampidinin'i Allah, noho ny fialonana tsotra izao ny fampidinan'i Allah ny fahasoavany tamin'izay sitrany tamin'ireo mpanompony; ka nizaka fahatezerana ambonin'ny fahatezerana izy ireo. Ary ho an'ireo tsy mpino ny sazy manala baraka.
91وَإِذَا قِيلَ لَهُمْ آمِنُوا بِمَا أَنزَلَ اللَّهُ قَالُوا نُؤْمِنُ بِمَا أُنزِلَ عَلَيْنَا وَيَكْفُرُونَ بِمَا وَرَاءَهُ وَهُوَ الْحَقُّ مُصَدِّقًا لِّمَا مَعَهُمْ ۗ قُلْ فَلِمَ تَقْتُلُونَ أَنبِيَاءَ اللَّهِ مِن قَبْلُ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Ary rehefa tenenina izy ireo hoe : " Minoa izay nampidinin'i Allah ianareo " ; dia milaza izy ireo fa : " Mino izay nampidinina taminay izahay ". Ary tsy mino ny ankoatra izany izy ireo, nefa izany indrindra ilay fahamarinana izay manamafy ny eo am-pelatanan'izy ireo. Lazao azy ireo hoe : " Ka nahoana àry ianareo no namono ireny mpaminanin'i Allah ireny taloha, raha tena mpino tokoa ianareo ".
92۞ وَلَقَدْ جَاءَكُم مُّوسَىٰ بِالْبَيِّنَاتِ ثُمَّ اتَّخَذْتُمُ الْعِجْلَ مِن بَعْدِهِ وَأَنتُمْ ظَالِمُونَ
Ary efa tonga taminareo tokoa i Moussa niaraka tamin’ireo porofo mazava, dia mbola nandray ilay sariomby ho tompo ihany ianareo taoriany; ary ianareo dia mpanao ny tsy rariny tokoa.
93وَإِذْ أَخَذْنَا مِيثَاقَكُمْ وَرَفَعْنَا فَوْقَكُمُ الطُّورَ خُذُوا مَا آتَيْنَاكُم بِقُوَّةٍ وَاسْمَعُوا ۖ قَالُوا سَمِعْنَا وَعَصَيْنَا وَأُشْرِبُوا فِي قُلُوبِهِمُ الْعِجْلَ بِكُفْرِهِمْ ۚ قُلْ بِئْسَمَا يَأْمُرُكُم بِهِ إِيمَانُكُمْ إِن كُنتُم مُّؤْمِنِينَ
Ary tsarovinareo raha nandray fifanekena taminareo Izahay ary nampiakarinay teo amboninareo ny tendrombohitra Toor hoe : " Tazoninareo mafy izay nomenay anareo ary mihainoa ". Dia hoy izy ireo hoe : " Reninay izany, saingy lavinay ". Ary tafiditra lalina tao am-pon'izy ireo (ny fanompoana) ilay sariomby noho ny tsy finoany. Lazao azy ireo hoe : " Mba ratsy tokoa ny zavatra nanirahan'ny finoanareo anareo; raha toa moa ka mpino tokoa ianareo ".
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
91Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 91

Surah Al-Baqarah Andininy 91 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary rehefa tenenina izy ireo hoe : " Minoa izay…

Surah Andininy 91/286 — Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Baqarah Henoy, Al-Baqarah Fandikana, Al-Baqarah mp3, Al-Baqarah pdf. Andininy 89–93. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers