An-Nisa · 126/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَلِلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ مُّحِيطًا ۝١٢٦
Wa lillaahi maa fis samaawaati wa maa fil ard; wa kaanal laahu bikulli shai`im muheetaa
📖 Dikany Malagasy
Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay ety an-tany. Ary I Allah dia Mahafehy ny zava-drehetra.
🎧 Henoy

📜 Andininy 124-128 — An-Nisa

124وَمَن يَعْمَلْ مِنَ الصَّالِحَاتِ مِن ذَكَرٍ أَوْ أُنثَىٰ وَهُوَ مُؤْمِنٌ فَأُولَٰئِكَ يَدْخُلُونَ الْجَنَّةَ وَلَا يُظْلَمُونَ نَقِيرًا
Ary n'iza n'iza manao ireo asa soa, na lahy na vavy, ka mpino izy, dia izy ireny no hiditra ao amin’ny Paradisa, ary tsy ho ambakaina na dia mitovy amin’ny singan’ny atrendry aza.
125وَمَنْ أَحْسَنُ دِينًا مِّمَّنْ أَسْلَمَ وَجْهَهُ لِلَّهِ وَهُوَ مُحْسِنٌ وَاتَّبَعَ مِلَّةَ إِبْرَاهِيمَ حَنِيفًا ۗ وَاتَّخَذَ اللَّهُ إِبْرَاهِيمَ خَلِيلًا
Ary iza no manana finoana mendrika indrindra noho izay manolotra ny tavany ho an’i Allah, sy mpanao asa soa, ary manaraka ny finoan’i Abrahama, finoana madio. Ary i Allah dia nandray an’i Abrahama ho sakaiza mahatoky.
126وَلِلَّهِ مَا فِي السَّمَاوَاتِ وَمَا فِي الْأَرْضِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ بِكُلِّ شَيْءٍ مُّحِيطًا
Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay ety an-tany. Ary I Allah dia Mahafehy ny zava-drehetra.
127وَيَسْتَفْتُونَكَ فِي النِّسَاءِ ۖ قُلِ اللَّهُ يُفْتِيكُمْ فِيهِنَّ وَمَا يُتْلَىٰ عَلَيْكُمْ فِي الْكِتَابِ فِي يَتَامَى النِّسَاءِ اللَّاتِي لَا تُؤْتُونَهُنَّ مَا كُتِبَ لَهُنَّ وَتَرْغَبُونَ أَن تَنكِحُوهُنَّ وَالْمُسْتَضْعَفِينَ مِنَ الْوِلْدَانِ وَأَن تَقُومُوا لِلْيَتَامَىٰ بِالْقِسْطِ ۚ وَمَا تَفْعَلُوا مِنْ خَيْرٍ فَإِنَّ اللَّهَ كَانَ بِهِ عَلِيمًا
Ary hanontany anao izy ireo mahakasik’ireo vehivavy. Teneno hoe : “Allah no hanambara aminareo ny didy momba azy ireo, miampy izay efa novakiana taminareo ao anatin’ilay Boky, mahakasika ny kamboty vavy, izay tsy omenareo azy ireo izay voadidy ho azy ireo. Nefa ianareo naniry hanambady azy ireo. Ary ny momba ireo ankizy lahy tsy ampy taona”. Ary aoka mba hikarakara ara-drariny ireo kamboty ianareo. Ary izay tsara ataonareo dia I Allah no tena Mahalala izany.
128وَإِنِ امْرَأَةٌ خَافَتْ مِن بَعْلِهَا نُشُوزًا أَوْ إِعْرَاضًا فَلَا جُنَاحَ عَلَيْهِمَا أَن يُصْلِحَا بَيْنَهُمَا صُلْحًا ۚ وَالصُّلْحُ خَيْرٌ ۗ وَأُحْضِرَتِ الْأَنفُسُ الشُّحَّ ۚ وَإِن تُحْسِنُوا وَتَتَّقُوا فَإِنَّ اللَّهَ كَانَ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرًا
Ary raha misy vehivavy matahotra ny fandaozan’ny vadiny, na ny tsy firaharahina, dia tsy misy tsiny amin’izy roa ny mifandamina, ary ny fifandaminana no tsara indrindra, ary ny fanahy dia natao hirona amin’ny fahihirana. Ary raha manao ny tsara sy manana fatahorana ianareo, dia Allah no Mahafantatra izay rehetra ataonareo.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
126Andininy

Fandikana — An-Nisa 126

Surah An-Nisa Andininy 126 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary an’I Allah irery ihany izay rehetra any amin’ireo lanitra…

Surah Andininy 126/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 124–128. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers