An-Nisa · 32/176
Fandikana Fanononana — Surah An-Nisa
وَلَا تَتَمَنَّوْا مَا فَضَّلَ اللَّهُ بِهِ بَعْضَكُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ ۚ لِّلرِّجَالِ نَصِيبٌ مِّمَّا اكْتَسَبُوا ۖ وَلِلنِّسَاءِ نَصِيبٌ مِّمَّا اكْتَسَبْنَ ۚ وَاسْأَلُوا اللَّهَ مِن فَضْلِهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمًا ۝٣٢
Wa laa tatamannaw maa faddalal laahu bihee ba`dakum `alaa ba`d; lirrijaali naseebum mimak tasaboo wa linnisaaa`i naseebum mimmak tasabna; was`alullaaha min fadlih; innal laaha kaana bikulli shai`in `Aleemaa
📖 Dikany Malagasy
Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho an’ny lehilahy ny anjara amin’izay vokatry ny asany, ary ho an’ny vehivavy koa ny anjara amin’izay vokatry ny asany. Ary mangataha amin’I Allah ny amin’ny fahasoavany ianareo. Tena marina fa Allah dia tena Mahalala ny zava-drehetra.

🎧 Henoy


📜 Andininy 30-34 — Surah An-Nisa

30وَمَن يَفْعَلْ ذَٰلِكَ عُدْوَانًا وَظُلْمًا فَسَوْفَ نُصْلِيهِ نَارًا ۚ وَكَانَ ذَٰلِكَ عَلَى اللَّهِ يَسِيرًا
Ary n’iza n’iza manao izany, amim-pihoaram-pefy sy amin’ny tsy rariny, dia hatsipinay ao anatin'ny afobe izy. Ary izany dia mora amin’I Allah.
31إِن تَجْتَنِبُوا كَبَائِرَ مَا تُنْهَوْنَ عَنْهُ نُكَفِّرْ عَنكُمْ سَيِّئَاتِكُمْ وَنُدْخِلْكُم مُّدْخَلًا كَرِيمًا
Raha manalavitra ireo fahotana lehibe izay norarana taminareo ianareo, dia ho fafanay ireo asa ratsy vitanareo, ary hampidirinay ao amin’ny toera-manan-kaja (Paradisa) ianareo.
32وَلَا تَتَمَنَّوْا مَا فَضَّلَ اللَّهُ بِهِ بَعْضَكُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ ۚ لِّلرِّجَالِ نَصِيبٌ مِّمَّا اكْتَسَبُوا ۖ وَلِلنِّسَاءِ نَصِيبٌ مِّمَّا اكْتَسَبْنَ ۚ وَاسْأَلُوا اللَّهَ مِن فَضْلِهِ ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ بِكُلِّ شَيْءٍ عَلِيمًا
Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho an’ny lehilahy ny anjara amin’izay vokatry ny asany, ary ho an’ny vehivavy koa ny anjara amin’izay vokatry ny asany. Ary mangataha amin’I Allah ny amin’ny fahasoavany ianareo. Tena marina fa Allah dia tena Mahalala ny zava-drehetra.
33وَلِكُلٍّ جَعَلْنَا مَوَالِيَ مِمَّا تَرَكَ الْوَالِدَانِ وَالْأَقْرَبُونَ ۚ وَالَّذِينَ عَقَدَتْ أَيْمَانُكُمْ فَآتُوهُمْ نَصِيبَهُمْ ۚ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلَىٰ كُلِّ شَيْءٍ شَهِيدًا
Ary ny tsirairay dia nataonay manana mpandova amin’izay navelan’ny ray aman-dreniny sy ireo havana akaiky. Ary izay nanaovanareo fanekena, dia omeo azy ireo ny anjarany. Tena marina fa I Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
34الرِّجَالُ قَوَّامُونَ عَلَى النِّسَاءِ بِمَا فَضَّلَ اللَّهُ بَعْضَهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍ وَبِمَا أَنفَقُوا مِنْ أَمْوَالِهِمْ ۚ فَالصَّالِحَاتُ قَانِتَاتٌ حَافِظَاتٌ لِّلْغَيْبِ بِمَا حَفِظَ اللَّهُ ۚ وَاللَّاتِي تَخَافُونَ نُشُوزَهُنَّ فَعِظُوهُنَّ وَاهْجُرُوهُنَّ فِي الْمَضَاجِعِ وَاضْرِبُوهُنَّ ۖ فَإِنْ أَطَعْنَكُمْ فَلَا تَبْغُوا عَلَيْهِنَّ سَبِيلًا ۗ إِنَّ اللَّهَ كَانَ عَلِيًّا كَبِيرًا
Ireo lehilahy dia manam-pahefana eo amin’ireo vadiny, nohon'ny tombony izay nomen’I Allah ny sasany amin’izy ireo eo anatrehan’ny sasany, sy nohon'ny fandaniana izay ataon’izy ireo amin’ny hareny. Ireo vehivavy mendrika dia mankatò (an’I Allah) sy ny vadiny, ary miaro mandritra ny fotoana tsy maha eo ny vadin’izy ireo, ny voninahiny sy ny hareny. Ary ireo izay atahoranareo tsy hankatò kosa, dia anaro izy ireo sy ihataho amin’ny fandriana, ary kapohy. Fa raha mankatò anareo kosa izy ireo, dia aoka ianareo tsy hitady lalana hanoherana azy ireo (tsy itadiavana ady intsony). Tena marina fa I Allah dia Avo sy lehibe indrindra.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
32Andininy

Fandikana — An-Nisa 32

Surah An-Nisa Andininy 32 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary aza mitsiriritra ianareo amin’izay nomen’I Allah tombony aminareo; ho…

Surah Andininy 32/176 — Surah An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nisa Henoy, Surah An-Nisa Fandikana, Surah An-Nisa mp3, Surah An-Nisa pdf. Andininy 30–34. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers