Al-A'raf · 56/206
Fandikana Fanononana — Al-A'raf
وَلَا تُفْسِدُوا فِي الْأَرْضِ بَعْدَ إِصْلَاحِهَا وَادْعُوهُ خَوْفًا وَطَمَعًا ۚ إِنَّ رَحْمَتَ اللَّهِ قَرِيبٌ مِّنَ الْمُحْسِنِينَ ۝٥٦
Wa laa tufsidoo fil ardi ba`da islaahihaa wad`oohu khawfanw wa tama`aa; inna rahmatal laahi qareebum minal muhsineen
📖 Dikany Malagasy
Ary ianareo aza manao asa fanimbana eto ambonin'ny tany aorian’ny fanatsarana azy, ary mangataha Aminy ianareo amim-patahorana sy amim-panantenana. Marina fa ny famindram-pon’ny Tomponao dia akaiky ireo mpanao soa.
🎧 Henoy

📜 Andininy 54-58 — Al-A'raf

54إِنَّ رَبَّكُمُ اللَّهُ الَّذِي خَلَقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ فِي سِتَّةِ أَيَّامٍ ثُمَّ اسْتَوَىٰ عَلَى الْعَرْشِ يُغْشِي اللَّيْلَ النَّهَارَ يَطْلُبُهُ حَثِيثًا وَالشَّمْسَ وَالْقَمَرَ وَالنُّجُومَ مُسَخَّرَاتٍ بِأَمْرِهِ ۗ أَلَا لَهُ الْخَلْقُ وَالْأَمْرُ ۗ تَبَارَكَ اللَّهُ رَبُّ الْعَالَمِينَ
Marina fa ny Tomponareo dia Allah izay nahary ireo lanitra sy ny tany tao anatin’ny enin'andro, avy eo izy dia nitoetra (istawã) teo ambonin’ny seza fiandrianana. Ary ny alina nataony handrakotra ny andro no sady manenjika azy tsy ankijanona. Ary (Izy no nahary) ny masoandro, ny volana sy ireo kintana, izy ireo dia mankato ny baikony avokoa. Moa ve tsy Azy irery ny famoronana sy ny fibaikoana ? Voninahitra anie ho an’I Allah, Tompon’izao Tontolo izao.
55ادْعُوا رَبَّكُمْ تَضَرُّعًا وَخُفْيَةً ۚ إِنَّهُ لَا يُحِبُّ الْمُعْتَدِينَ
Mangataha amin’ny Tomponareo amim-panetre-tena ary amim-pahanginana, tena marina fa Izy (Allah) dia tsy tia ireo mpandika lalàna.
56وَلَا تُفْسِدُوا فِي الْأَرْضِ بَعْدَ إِصْلَاحِهَا وَادْعُوهُ خَوْفًا وَطَمَعًا ۚ إِنَّ رَحْمَتَ اللَّهِ قَرِيبٌ مِّنَ الْمُحْسِنِينَ
Ary ianareo aza manao asa fanimbana eto ambonin'ny tany aorian’ny fanatsarana azy, ary mangataha Aminy ianareo amim-patahorana sy amim-panantenana. Marina fa ny famindram-pon’ny Tomponao dia akaiky ireo mpanao soa.
57وَهُوَ الَّذِي يُرْسِلُ الرِّيَاحَ بُشْرًا بَيْنَ يَدَيْ رَحْمَتِهِ ۖ حَتَّىٰ إِذَا أَقَلَّتْ سَحَابًا ثِقَالًا سُقْنَاهُ لِبَلَدٍ مَّيِّتٍ فَأَنزَلْنَا بِهِ الْمَاءَ فَأَخْرَجْنَا بِهِ مِن كُلِّ الثَّمَرَاتِ ۚ كَذَٰلِكَ نُخْرِجُ الْمَوْتَىٰ لَعَلَّكُمْ تَذَكَّرُونَ
Ary Izy no mandefa ireo rivotra ho fanambarana mialoha ny famindram-pony. Ka rehefa mitondra rahona mavesatra izany dia tarihanay any amin’ny tany maty (karakaina), ary dia ampidininay amin’ny alàlan’izany ny rano, ka hamoahanay ireo karazam-boankazo rehetra. Tahaka izany koa no hamoahanay ireo maty. Angamba hahatsiaro tena ianareo.
58وَالْبَلَدُ الطَّيِّبُ يَخْرُجُ نَبَاتُهُ بِإِذْنِ رَبِّهِ ۖ وَالَّذِي خَبُثَ لَا يَخْرُجُ إِلَّا نَكِدًا ۚ كَذَٰلِكَ نُصَرِّفُ الْآيَاتِ لِقَوْمٍ يَشْكُرُونَ
Ary ny tany tsara dia hitsirian'ny zava-maniriny avy amin’ny alalan’ny Tompony, fa izay (tany) ratsy kosa dia tsy hitsirian'ny zava-maniriny afa-tsy amim-pahasarotana. Tahaka izany no hanazavanay antsipiriany ireo fanambarana ho an’ny vahoaka mankasitraka.
Al-A'rafFizahan-takila Koraña
206Andininy
MeccanRevelation
56Andininy

Fandikana — Al-A'raf 56

Surah Al-A'raf Andininy 56 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary ianareo aza manao asa fanimbana eto ambonin'ny tany aorian’ny…

Surah Andininy 56/206 — Al-A'raf الأعراف (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-A'raf Henoy, Al-A'raf Fandikana, Al-A'raf mp3, Al-A'raf pdf. Andininy 54–58. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers