Iloaran'i Imrana · 45/200
Fandikana Fanononana — Iloaran'i Imrana
إِذْ قَالَتِ الْمَلَائِكَةُ يَا مَرْيَمُ إِنَّ اللَّهَ يُبَشِّرُكِ بِكَلِمَةٍ مِّنْهُ اسْمُهُ الْمَسِيحُ عِيسَى ابْنُ مَرْيَمَ وَجِيهًا فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَمِنَ الْمُقَرَّبِينَ ۝٤٥
Iz qaalatil malaaa`ikatu yaa Maryamu innal laaha yubashshiruki bi Kalimatim minhus muhul Maseeh u `Eesab nu Maryama wajeehan fid dunyaa wal Aakhirati wa minal muqarrabeen
📖 Dikany Malagasy
Rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia manambara vaovao Aminao, dia ny Teny avy Aminy : ny anarany dia « Mesia » « Issa », Zanakan’i Mariamo, hanam-boninahitra eto an-tany sy any an-koatra, ary ho anisan’ireo akaiky Azy ”.

🎧 Henoy


📜 Andininy 43-47 — Iloaran'i Imrana

43يَا مَرْيَمُ اقْنُتِي لِرَبِّكِ وَاسْجُدِي وَارْكَعِي مَعَ الرَّاكِعِينَ
Ô ry Mariamo ! Ankatoavy ny Tomponao, ka miankohofa Aminy Ianao, ary miondreha miaraka amin’ireo mpiondrika ".
44ذَٰلِكَ مِنْ أَنبَاءِ الْغَيْبِ نُوحِيهِ إِلَيْكَ ۚ وَمَا كُنتَ لَدَيْهِمْ إِذْ يُلْقُونَ أَقْلَامَهُمْ أَيُّهُمْ يَكْفُلُ مَرْيَمَ وَمَا كُنتَ لَدَيْهِمْ إِذْ يَخْتَصِمُونَ
Izany dia anisan’ireo fanambarana vaovao miafina izay ampitanay Aminao. Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nanipy ny peniny izy ireo : iza amin’izy ireo no hiahy an’i Mariamo ! Ary tsy teo amin’izy ireo Ianao raha nifamaly izy ireo.
45إِذْ قَالَتِ الْمَلَائِكَةُ يَا مَرْيَمُ إِنَّ اللَّهَ يُبَشِّرُكِ بِكَلِمَةٍ مِّنْهُ اسْمُهُ الْمَسِيحُ عِيسَى ابْنُ مَرْيَمَ وَجِيهًا فِي الدُّنْيَا وَالْآخِرَةِ وَمِنَ الْمُقَرَّبِينَ
Rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Tena marina fa i Allah dia manambara vaovao Aminao, dia ny Teny avy Aminy : ny anarany dia « Mesia » « Issa », Zanakan’i Mariamo, hanam-boninahitra eto an-tany sy any an-koatra, ary ho anisan’ireo akaiky Azy ”.
46وَيُكَلِّمُ النَّاسَ فِي الْمَهْدِ وَكَهْلًا وَمِنَ الصَّالِحِينَ
“ Ary hiteny amin’Olombelona Izy raha vao teraka eo ambony fandriana, sy amin’ny halehibeny, ary ho anisan’ireo Olona mendrika ".
47قَالَتْ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي وَلَدٌ وَلَمْ يَمْسَسْنِي بَشَرٌ ۖ قَالَ كَذَٰلِكِ اللَّهُ يَخْلُقُ مَا يَشَاءُ ۚ إِذَا قَضَىٰ أَمْرًا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُ كُن فَيَكُونُ
Niteny i Mariamo : “ Tompo ô ! Ahoana Aho no hanan-janaka lahy ka nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy ? ”. Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Izany no Izy ! Allah dia mamorona izay sitrany. Raha mandidy zavatra Izy, dia miteny Aminy fotsiny Izy ny hoe :” Misia ", dia misy tokoa izany.
Iloaran'i ImranaFizahan-takila Koraña
200Andininy
MedinanRevelation
45Andininy

Fandikana — Iloaran'i Imrana 45

Surah Iloaran'i Imrana Andininy 45 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Rehefa niteny ireo Anjely ka nanao hoe : “ Ô…

Surah Andininy 45/200 — Iloaran'i Imrana آل عمران (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Iloaran'i Imrana Henoy, Iloaran'i Imrana Fandikana, Iloaran'i Imrana mp3, Iloaran'i Imrana pdf. Andininy 43–47. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers