An-Nisa · 156/176
Fandikana Fanononana — An-Nisa
وَبِكُفْرِهِمْ وَقَوْلِهِمْ عَلَىٰ مَرْيَمَ بُهْتَانًا عَظِيمًا ۝١٥٦
Wa bikufrihim wa qawlihim `alaa Maryama buh taanan `azeema
📖 Dikany Malagasy
Ary noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny teny feno endrikendrika lehibe nataon’izy ireo tamin’i Maria.
🎧 Henoy

📜 Andininy 154-158 — An-Nisa

154وَرَفَعْنَا فَوْقَهُمُ الطُّورَ بِمِيثَاقِهِمْ وَقُلْنَا لَهُمُ ادْخُلُوا الْبَابَ سُجَّدًا وَقُلْنَا لَهُمْ لَا تَعْدُوا فِي السَّبْتِ وَأَخَذْنَا مِنْهُم مِّيثَاقًا غَلِيظًا
Ary nampiakarinay teo ambonin’izy ireo ny tendrombohitra (toor) [70] mba hahazoana ny faneken’izy ireo. Ary niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Midira amin’ny varavarana amim-piankohofana ianareo.”Ary mbola niteny tamin’izy ireo Izahay hoe: “Aza mandika ny didy aman-dalànan’ny Sabata ianareo”. Ary nandray fanekena tena hentitra avy tamin’izy ireo Izahay.
155فَبِمَا نَقْضِهِم مِّيثَاقَهُمْ وَكُفْرِهِم بِآيَاتِ اللَّهِ وَقَتْلِهِمُ الْأَنبِيَاءَ بِغَيْرِ حَقٍّ وَقَوْلِهِمْ قُلُوبُنَا غُلْفٌ ۚ بَلْ طَبَعَ اللَّهُ عَلَيْهَا بِكُفْرِهِمْ فَلَا يُؤْمِنُونَ إِلَّا قَلِيلًا
Noho ny fivadihan’izy ireo tamin’ny fanekena nataony sy ny tsy finoany ireo fanambaran’I Allah, sy ny famonoany ireo mpaminany tsy amin’ny rariny, ary ny fitenenan’izy ireo hoe: “Ny fonay dia voarakotra (ka tsy andairan-teny)”. Ny tena marina dia I Allah mihitsy no nanidy ny fon’izy ireo noho ny tsy finoany; ka tsy nisy nino afa tsy ny vitsy tamin’izy ireo.
156وَبِكُفْرِهِمْ وَقَوْلِهِمْ عَلَىٰ مَرْيَمَ بُهْتَانًا عَظِيمًا
Ary noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny teny feno endrikendrika lehibe nataon’izy ireo tamin’i Maria.
157وَقَوْلِهِمْ إِنَّا قَتَلْنَا الْمَسِيحَ عِيسَى ابْنَ مَرْيَمَ رَسُولَ اللَّهِ وَمَا قَتَلُوهُ وَمَا صَلَبُوهُ وَلَٰكِن شُبِّهَ لَهُمْ ۚ وَإِنَّ الَّذِينَ اخْتَلَفُوا فِيهِ لَفِي شَكٍّ مِّنْهُ ۚ مَا لَهُم بِهِ مِنْ عِلْمٍ إِلَّا اتِّبَاعَ الظَّنِّ ۚ وَمَا قَتَلُوهُ يَقِينًا
Ary noho ny tenin’izy ireo hoe: “Tena izahay tokoa no namono an’i Jesoa zanak’i Maria, irak’I Allah. Nefa tsy nahafaty Azy izy ireo, ary tsy nahafantsika Azy, fa endrika mitovy aminy fotsiny no naseho tamin’izy ireo.Ary tena marina fa ireo izay miady hevitra momba izany, dia tena ao anatin’ny fisalasalana mafy, tsy manam-pahalalana ny amin’izany izy ireo.Tsy misy afa-tsy ny fanarahana ny vinavinan’ny eritreritra fotsiny. Ary azo antoka fa tsy novonoin’izy ireo velively Izy.
158بَل رَّفَعَهُ اللَّهُ إِلَيْهِ ۚ وَكَانَ اللَّهُ عَزِيزًا حَكِيمًا
Fa nampiakarin’I Allah any Aminy Izy. Ary tena marina fa I Allah dia Ilay Tsitoha sy be Fahendrena.
An-NisaFizahan-takila Koraña
176Andininy
MedinanRevelation
156Andininy

Fandikana — An-Nisa 156

Surah An-Nisa Andininy 156 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny teny feno…

Surah Andininy 156/176 — An-Nisa النساء (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: An-Nisa Henoy, An-Nisa Fandikana, An-Nisa mp3, An-Nisa pdf. Andininy 154–158. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers