Al-An'am · 113/165
Fandikana Fanononana — Al-An'am
وَلِتَصْغَىٰ إِلَيْهِ أَفْئِدَةُ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ وَلِيَرْضَوْهُ وَلِيَقْتَرِفُوا مَا هُم مُّقْتَرِفُونَ ۝١١٣
Wa litasghaaa ilaihi af`idatul lazeena laa yu`minoona bil Aakhirati wa liyardawhu wa liyaqtarifoo maa hum muqtarifoon
📖 Dikany Malagasy
Ary mba hampirona ny fon’ireo izay tsy mino ny fisian’ny any ankoatra sy mba ahafa-po azy ireo izany, ary mba hanatanterahan’izy ireo ny heloka izay efa mahazatra azy ireo ny manatanteraka izany.

🎧 Henoy


📜 Andininy 111-115 — Al-An'am

111۞ وَلَوْ أَنَّنَا نَزَّلْنَا إِلَيْهِمُ الْمَلَائِكَةَ وَكَلَّمَهُمُ الْمَوْتَىٰ وَحَشَرْنَا عَلَيْهِمْ كُلَّ شَيْءٍ قُبُلًا مَّا كَانُوا لِيُؤْمِنُوا إِلَّا أَن يَشَاءَ اللَّهُ وَلَٰكِنَّ أَكْثَرَهُمْ يَجْهَلُونَ
Ary raha nampidina Anjely maro tamin’izy ireo Izahay ,ka niresaka tamin’izy ireo ny maty ,ary navorinay teo anatrehan’izy ireo ny zava-drehetra ,dia tsy nino izy ireo raha tsy sitrak’I Allah. Kanefa ny ankamaroan’izy ireo dia minia tsy mahafantatra.
112وَكَذَٰلِكَ جَعَلْنَا لِكُلِّ نَبِيٍّ عَدُوًّا شَيَاطِينَ الْإِنسِ وَالْجِنِّ يُوحِي بَعْضُهُمْ إِلَىٰ بَعْضٍ زُخْرُفَ الْقَوْلِ غُرُورًا ۚ وَلَوْ شَاءَ رَبُّكَ مَا فَعَلُوهُ ۖ فَذَرْهُمْ وَمَا يَفْتَرُونَ
Ary tahaka izany no nanokananay fahavalo ho an’ny Mpaminany tsirairay, dia ireo Satana amin’ny olombelona sy ny Djiny, mifampita hafatra izy ireo ny andaniny sy ny ankilany amin’ny fampihaingoana ny teny feno fitaka. Raha sitraky ny Tomponao dia tsy nataon’izy ireo izany, avelao àry izy ireo sy ny lainga izay foronony.
113وَلِتَصْغَىٰ إِلَيْهِ أَفْئِدَةُ الَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ وَلِيَرْضَوْهُ وَلِيَقْتَرِفُوا مَا هُم مُّقْتَرِفُونَ
Ary mba hampirona ny fon’ireo izay tsy mino ny fisian’ny any ankoatra sy mba ahafa-po azy ireo izany, ary mba hanatanterahan’izy ireo ny heloka izay efa mahazatra azy ireo ny manatanteraka izany.
114أَفَغَيْرَ اللَّهِ أَبْتَغِي حَكَمًا وَهُوَ الَّذِي أَنزَلَ إِلَيْكُمُ الْكِتَابَ مُفَصَّلًا ۚ وَالَّذِينَ آتَيْنَاهُمُ الْكِتَابَ يَعْلَمُونَ أَنَّهُ مُنَزَّلٌ مِّن رَّبِّكَ بِالْحَقِّ ۖ فَلَا تَكُونَنَّ مِنَ الْمُمْتَرِينَ
Moa hitady Mpitsara ankoatr’I Allah ve aho, nefa Izy no nampidina taminareo ny Boky izay voazava amin’ny antsipiriany ? Ary ireo izay nomenay ny Boky dia mahalala tsara fa tena nampidinina avy amin’ny Tomponao miaraka amin’ny fahamarinana izany. Ka aoka àry ianareo tsy ho anisan’ireo mpiahiahy.
115وَتَمَّتْ كَلِمَتُ رَبِّكَ صِدْقًا وَعَدْلًا ۚ لَّا مُبَدِّلَ لِكَلِمَاتِهِ ۚ وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ
Ary Tanteraka amim-pahamarinana sy ara-drariny ny Tenin’ny Tomponao. Ary tsy misy afaka manova ireo Teniny. Ary Izy Ilay Maheno sy Ilay Tena Mahalala.
Al-An'amFizahan-takila Koraña
165Andininy
MeccanRevelation
113Andininy

Fandikana — Al-An'am 113

Surah Al-An'am Andininy 113 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary mba hampirona ny fon’ireo izay tsy mino ny fisian’ny…

Surah Andininy 113/165 — Al-An'am الأنعام (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-An'am Henoy, Al-An'am Fandikana, Al-An'am mp3, Al-An'am pdf. Andininy 111–115. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers