Al-Maidah · 27/120
Fandikana Fanononana — Al-Maidah
۞ وَاتْلُ عَلَيْهِمْ نَبَأَ ابْنَيْ آدَمَ بِالْحَقِّ إِذْ قَرَّبَا قُرْبَانًا فَتُقُبِّلَ مِنْ أَحَدِهِمَا وَلَمْ يُتَقَبَّلْ مِنَ الْآخَرِ قَالَ لَأَقْتُلَنَّكَ ۖ قَالَ إِنَّمَا يَتَقَبَّلُ اللَّهُ مِنَ الْمُتَّقِينَ ۝٢٧
Watlu `alaihim naba abnai Aadama bilhaqq; iz qarrabaa qurbaanan fatuqubbila min ahadihimaa wa lam yutaqabbal minal aakhari qaala la aqtulannnaka qaala innamaa yataqabbalul laahu minal muttaqeen
📖 Dikany Malagasy
Ary vakio amin'izy ireo am-pahamarinana ny vaovaon’ireo zanak’i Adama roalahy, rehefa samy nanolotra fanatitra izy roalahy; ka voaray ny iray avy tamin’izy roalahy, ary tsy noraisina kosa ny avy amin’ny namany. Dia niteny izy hoe :”Tena ho vonoiko ianao”. Ka namaly azy ny namany hoe : “Tena marina fa Allah dia tsy mandray afa-tsy izay avy amin’ny olona manam-patahorana ihany".
🎧 Henoy

📜 Andininy 25-29 — Al-Maidah

25قَالَ رَبِّ إِنِّي لَا أَمْلِكُ إِلَّا نَفْسِي وَأَخِي ۖ فَافْرُقْ بَيْنَنَا وَبَيْنَ الْقَوْمِ الْفَاسِقِينَ
Niteny Izy hoe: “Tompo o! Tsy manana fahefana aho afa-tsy amin’ny tenako sy amin’ny rahalahiko ihany. Ka saraho izahay amin’ireo vahoaka mpanao ratsy.”
26قَالَ فَإِنَّهَا مُحَرَّمَةٌ عَلَيْهِمْ ۛ أَرْبَعِينَ سَنَةً ۛ يَتِيهُونَ فِي الْأَرْضِ ۚ فَلَا تَأْسَ عَلَى الْقَوْمِ الْفَاسِقِينَ
Niteny Izy (Allah) hoe: “Tena marina fa izany (tany masina izany) dia voarara amin’izy ireo, mandritry ny efa-polo taona. Hirenireny eran-tany izy ireo, ka aoka tsy hampalahelo anao ny momba ireo vahoaka mpanao ratsy ireo”.
27۞ وَاتْلُ عَلَيْهِمْ نَبَأَ ابْنَيْ آدَمَ بِالْحَقِّ إِذْ قَرَّبَا قُرْبَانًا فَتُقُبِّلَ مِنْ أَحَدِهِمَا وَلَمْ يُتَقَبَّلْ مِنَ الْآخَرِ قَالَ لَأَقْتُلَنَّكَ ۖ قَالَ إِنَّمَا يَتَقَبَّلُ اللَّهُ مِنَ الْمُتَّقِينَ
Ary vakio amin'izy ireo am-pahamarinana ny vaovaon’ireo zanak’i Adama roalahy, rehefa samy nanolotra fanatitra izy roalahy; ka voaray ny iray avy tamin’izy roalahy, ary tsy noraisina kosa ny avy amin’ny namany. Dia niteny izy hoe :”Tena ho vonoiko ianao”. Ka namaly azy ny namany hoe : “Tena marina fa Allah dia tsy mandray afa-tsy izay avy amin’ny olona manam-patahorana ihany".
28لَئِن بَسَطتَ إِلَيَّ يَدَكَ لِتَقْتُلَنِي مَا أَنَا بِبَاسِطٍ يَدِيَ إِلَيْكَ لِأَقْتُلَكَ ۖ إِنِّي أَخَافُ اللَّهَ رَبَّ الْعَالَمِينَ
Raha hanenjana ny tananao amiko ianao mba hamono ahy izaho kosa dia tsy hanenjana ny tanako aminao, mba hamono anao satria izaho dia matahotra an’I Allah, Tompon’izao Tontolo izao.
29إِنِّي أُرِيدُ أَن تَبُوءَ بِإِثْمِي وَإِثْمِكَ فَتَكُونَ مِنْ أَصْحَابِ النَّارِ ۚ وَذَٰلِكَ جَزَاءُ الظَّالِمِينَ
Tena marina fa tiako ianao mba hibaby ny fahotako sy ny fahotanao ka amin’izay ho lasa anisan’ireo olon’ny Afobe ianao. Ary izany no valin’asan’ireo mpanao ny tsy rariny.
Al-MaidahFizahan-takila Koraña
120Andininy
MedinanRevelation
27Andininy

Fandikana — Al-Maidah 27

Surah Al-Maidah Andininy 27 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary vakio amin'izy ireo am-pahamarinana ny vaovaon’ireo zanak’i Adama roalahy,…

Surah Andininy 27/120 — Al-Maidah المائدة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Maidah Henoy, Al-Maidah Fandikana, Al-Maidah mp3, Al-Maidah pdf. Andininy 25–29. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers