Al-Baqarah · 50/286
Fandikana Fanononana — Surah Al-Baqarah
وَإِذْ فَرَقْنَا بِكُمُ الْبَحْرَ فَأَنجَيْنَاكُمْ وَأَغْرَقْنَا آلَ فِرْعَوْنَ وَأَنتُمْ تَنظُرُونَ ۝٥٠
Wa iz faraqnaa bikumul bahra fa anjainaakum wa agh-raqnaaa Aala Fir`awna wa antum tanzuroon
📖 Dikany Malagasy
Ary tsarovy, raha novakinay roa noho ianareo ny ranomasina, ka nahafahanareo niampita, ary navotanay araka izany ianareo, fa narendrikay kosa ireo olon’i Faraona, nibaribary teo imasonareo izany rehetra izany.

🎧 Henoy


📜 Andininy 48-52 — Surah Al-Baqarah

48وَاتَّقُوا يَوْمًا لَّا تَجْزِي نَفْسٌ عَن نَّفْسٍ شَيْئًا وَلَا يُقْبَلُ مِنْهَا شَفَاعَةٌ وَلَا يُؤْخَذُ مِنْهَا عَدْلٌ وَلَا هُمْ يُنصَرُونَ
Ary aoka ianareo hatahotra ilay andro iray izay tsy misy olona hanome ny valisoany ho an’olon-kafa; sy tsy hanekena mihitsy ny fanelanelanana; ary tsy handraisana intsony ny fanambazana omeny, ary tsy ho vonjena izy ireo.
49وَإِذْ نَجَّيْنَاكُم مِّنْ آلِ فِرْعَوْنَ يَسُومُونَكُمْ سُوءَ الْعَذَابِ يُذَبِّحُونَ أَبْنَاءَكُمْ وَيَسْتَحْيُونَ نِسَاءَكُمْ ۚ وَفِي ذَٰلِكُم بَلَاءٌ مِّن رَّبِّكُمْ عَظِيمٌ
Ary mba tsarovinareo ny nanavotanay anareo tamin'ireo olon'i Faraona, izay nampitondra faisana anareo tamin'ny fampijaliana mahatsiravina; notapahan'izy ireo avokoa ny tendan'ireo zanakalahinareo ary navelan'izy ireo velona kosa ireo zanaka vavinareo ny mba hanaovany izay tiany hatao amin'izy ireny, ary izany rehetra izany dia mifono fitsapana lehibe avy tamin'ny Tomponareo.
50وَإِذْ فَرَقْنَا بِكُمُ الْبَحْرَ فَأَنجَيْنَاكُمْ وَأَغْرَقْنَا آلَ فِرْعَوْنَ وَأَنتُمْ تَنظُرُونَ
Ary tsarovy, raha novakinay roa noho ianareo ny ranomasina, ka nahafahanareo niampita, ary navotanay araka izany ianareo, fa narendrikay kosa ireo olon’i Faraona, nibaribary teo imasonareo izany rehetra izany.
51وَإِذْ وَاعَدْنَا مُوسَىٰ أَرْبَعِينَ لَيْلَةً ثُمَّ اتَّخَذْتُمُ الْعِجْلَ مِن بَعْدِهِ وَأَنتُمْ ظَالِمُونَ
Ary tsarovy ihany koa raha nanome fotoana an'i Moussa (A.S) nandritra ny efa-polo alina Izahay, tamin’ izany no namoronanareo sariomby (natao sampy hotompoina) nandritra ny fotoana tsy nahateo azy, noho izany dia tonga isan’ny olona mpanao ny tsy rariny ianareo.
52ثُمَّ عَفَوْنَا عَنكُم مِّن بَعْدِ ذَٰلِكَ لَعَلَّكُمْ تَشْكُرُونَ
Dia namela heloka Anareo indray Izahay taorian'izany, mba hahaizanareo mankasitraka.
Al-BaqarahFizahan-takila Koraña
286Andininy
MedinanRevelation
50Andininy

Fandikana — Al-Baqarah 50

Surah Al-Baqarah Andininy 50 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary tsarovy, raha novakinay roa noho ianareo ny ranomasina, ka…

Surah Andininy 50/286 — Surah Al-Baqarah البقرة (Medinan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah Al-Baqarah Henoy, Surah Al-Baqarah Fandikana, Surah Al-Baqarah mp3, Surah Al-Baqarah pdf. Andininy 48–52. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers