Al-Isra · 49/111
Fandikana Fanononana — Al-Isra
وَقَالُوا أَإِذَا كُنَّا عِظَامًا وَرُفَاتًا أَإِنَّا لَمَبْعُوثُونَ خَلْقًا جَدِيدًا ۝٤٩
Wa qaalooo`a izaa kunnaa `izaamanw wa rufaatan `a innaa lamab`oosoona khalqan jadeedaa
📖 Dikany Malagasy
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Rehefa lasa taolana sy vovoka izahay, dia mbola hatsangana marina ka haverina ho olombelona vaovao indray ve ?”
🎧 Henoy

📜 Andininy 47-51 — Al-Isra

47نَّحْنُ أَعْلَمُ بِمَا يَسْتَمِعُونَ بِهِ إِذْ يَسْتَمِعُونَ إِلَيْكَ وَإِذْ هُمْ نَجْوَىٰ إِذْ يَقُولُ الظَّالِمُونَ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا رَجُلًا مَّسْحُورًا
Izahay dia tena mahafantatra tokoa izay henoin’izy ireo rehefa mihaino anao izy ireo, ary rehefa mifampibitsibitsika izy ireo, ka miteny ireo mpanao ny tsy rariny manao hoe : “Ianareo dia tsy manaraka afa-tsy ny olona azon’ny famosaviana ihany”.
48انظُرْ كَيْفَ ضَرَبُوا لَكَ الْأَمْثَالَ فَضَلُّوا فَلَا يَسْتَطِيعُونَ سَبِيلًا
Jereo, ahoana ny fanoharana ataon’izy ireo Anao ! Very lalana tokoa izy ireo, ka tsy afaka mahita lalana intsony (mankany amin’ny fahamarinana).
49وَقَالُوا أَإِذَا كُنَّا عِظَامًا وَرُفَاتًا أَإِنَّا لَمَبْعُوثُونَ خَلْقًا جَدِيدًا
Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Rehefa lasa taolana sy vovoka izahay, dia mbola hatsangana marina ka haverina ho olombelona vaovao indray ve ?”
50۞ قُلْ كُونُوا حِجَارَةً أَوْ حَدِيدًا
Teneno hoe : “Aoka ho vato na ho vy ianareo”.
51أَوْ خَلْقًا مِّمَّا يَكْبُرُ فِي صُدُورِكُمْ ۚ فَسَيَقُولُونَ مَن يُعِيدُنَا ۖ قُلِ الَّذِي فَطَرَكُمْ أَوَّلَ مَرَّةٍ ۚ فَسَيُنْغِضُونَ إِلَيْكَ رُءُوسَهُمْ وَيَقُولُونَ مَتَىٰ هُوَ ۖ قُلْ عَسَىٰ أَن يَكُونَ قَرِيبًا
Na ho zava-boary hafa izay heverinareo fa lehibe ao amin’ny fonareo! Ary dia mbola hiteny izy ireo manao hoe : “Iza àry no hamerina anay indray avy eo ?” Teneno hoe : “Izay nahary anareo voalohany tany am-piandohana”.Hanifikifi-doha aminao izy ireo sy hiteny manao hoe : “Rahoviana izany ?”. Ka teneno hoe : “Angamba tsy ho ela intsony izany”.
Al-IsraFizahan-takila Koraña
111Andininy
MeccanRevelation
49Andininy

Fandikana — Al-Isra 49

Surah Al-Isra Andininy 49 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Rehefa lasa taolana…

Surah Andininy 49/111 — Al-Isra الإسراء (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Al-Isra Henoy, Al-Isra Fandikana, Al-Isra mp3, Al-Isra pdf. Andininy 47–51. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Tuesday, August 18, 2026

Don't forget us in your sincere prayers