An-Nahl · 60/128
Fandikana Fanononana — Surah An-Nahl
لِلَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ مَثَلُ السَّوْءِ ۖ وَلِلَّهِ الْمَثَلُ الْأَعْلَىٰ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ ۝٦٠
Lillazeena laa yu`minoona bil Aakhirati masalus saw`i wa lillaahil masalul a`laa; wa Huwal `Azeezul Hakeem
📖 Dikany Malagasy
Ireo izay tsy mino ny fiainana any an-koatra, dia manome ohatra ratsy. Nefa an’i Allah irery ihany ny ohatra ambony indrindra, fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay Hendry !

🎧 Henoy


📜 Andininy 58-62 — Surah An-Nahl

58وَإِذَا بُشِّرَ أَحَدُهُم بِالْأُنثَىٰ ظَلَّ وَجْهُهُ مُسْوَدًّا وَهُوَ كَظِيمٌ
Raha ilazana vaovao fa nahazo Zanaka vavy ny iray amin’izy ireo, dia mihamaloka ny endriny ary tezitra mafy Izy.
59يَتَوَارَىٰ مِنَ الْقَوْمِ مِن سُوءِ مَا بُشِّرَ بِهِ ۚ أَيُمْسِكُهُ عَلَىٰ هُونٍ أَمْ يَدُسُّهُ فِي التُّرَابِ ۗ أَلَا سَاءَ مَا يَحْكُمُونَ
Miafina amin’ny vahoaka Izy nohon'ny vaovao ratsy nolazaina Taminy (araka ny fiheverany). Tokony ho tazonina ve izany na dia eo aza ny henatra, sa handevina Azy any ambanin’ny tany ? Toy inona ny faharatsian’ny fitsaran’izy ireo !
60لِلَّذِينَ لَا يُؤْمِنُونَ بِالْآخِرَةِ مَثَلُ السَّوْءِ ۖ وَلِلَّهِ الْمَثَلُ الْأَعْلَىٰ ۚ وَهُوَ الْعَزِيزُ الْحَكِيمُ
Ireo izay tsy mino ny fiainana any an-koatra, dia manome ohatra ratsy. Nefa an’i Allah irery ihany ny ohatra ambony indrindra, fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay Hendry !
61وَلَوْ يُؤَاخِذُ اللَّهُ النَّاسَ بِظُلْمِهِم مَّا تَرَكَ عَلَيْهَا مِن دَابَّةٍ وَلَٰكِن يُؤَخِّرُهُمْ إِلَىٰ أَجَلٍ مُّسَمًّى ۖ فَإِذَا جَاءَ أَجَلُهُمْ لَا يَسْتَأْخِرُونَ سَاعَةً ۖ وَلَا يَسْتَقْدِمُونَ
Raha raisin’i Allah ny Olombelona amin’ny tsy rariny izay nataon’izy ireo, dia tsy hisy tavela mihitsy ny zava-manan’aina eto an-tany, saingy manemotra izany ho azy ireo amin’ny fotoana voafetra Izy. Fa raha tonga ny fe-potoana, dia tsy ho azon’izy ireo hahemotra na haroso, na dia ora iray monja aza.
62وَيَجْعَلُونَ لِلَّهِ مَا يَكْرَهُونَ وَتَصِفُ أَلْسِنَتُهُمُ الْكَذِبَ أَنَّ لَهُمُ الْحُسْنَىٰ ۖ لَا جَرَمَ أَنَّ لَهُمُ النَّارَ وَأَنَّهُم مُّفْرَطُونَ
Ary ataon’izy ireo ho an’i Allah izay tsy tian’izy ireo ho Azy. Milaza lainga ny lelany rehefa milaza Izy ireo fa ny valisoa tsara indrindra dia ho azy ireo. Tsy hisalasalana fa tena ho azy ireo ny Afobe, ary ho avela ao mandrakizay izy ireo.
An-NahlFizahan-takila Koraña
128Andininy
MeccanRevelation
60Andininy

Fandikana — An-Nahl 60

Surah An-Nahl Andininy 60 - Vakio, Henoy, Fandikana, Malagasy : Ireo izay tsy mino ny fiainana any an-koatra, dia manome…

Surah Andininy 60/128 — Surah An-Nahl النحل (Meccan). Vakio Henoy Fandikana (Malagasy). Henoy: Surah An-Nahl Henoy, Surah An-Nahl Fandikana, Surah An-Nahl mp3, Surah An-Nahl pdf. Andininy 58–62. Dikany Malagasy: Kiswahili.




Koraña Masina


Monday, September 7, 2026

Don't forget us in your sincere prayers